Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 27 novembre 2026
Antananarivo | 16h25
 

Répondre à un commentaire

27 novembre à 10:38 | Vohitra (#7654)

Aleo ho mazava ny resaka...

Natao ampahibemaso ny raharaham-pitsarana, betsaka tokoa ny zava-nitranga ka nahazoana fanampim-baovao mikasika ny fisehoan’ny tranga.

Fa ny tena marina sy ny antony nahatonga ny voina namoizana aina 35 dia mbola tsy voafaritra mazava ary mbola ilaina fanadihadiana fanampiny.

Ary ny azo antoka tamin’ny fandehan’ny raharaham-pitsarana dia ity : na ny fiarovana na ny fanadihadiana ny voapanga na ny fanehoankevitra navoitry ny fampanoavana dia nampiseho miharihary fa :
1- misy safelika politika sy manampahefana nitsabaka tao anatin’ity raharaha mamoa-doza ity,

2- ary misy fitondrantena mamoafady manimba ny fitandroana ny maha olona tsapa misongadina ao amin’ity raharaha ity.

Na inona holazaina na inona, dia azo heverina fa nilaina sy nitondra fanampim-baovao ny nanaovana ampahibemaso ity raharaham-pitsarana ity.

Fa izao :

Tsy adinon’ny valalabemandry mihintsy akory hoe namitaka vahoaka ny tetiandro natolotry ny fanovozana sy ny FFKM mikasika ny fikaonan-doha isan’ambaratonga tsy tanteraka...

Fantatry ny vahoaka ankehitriny fa misary zoro sy mifanome tànana miaradia ny olomboafidin’i Rajoelina sy ny manampahefana sasany ao anaty fitondrana fanovozana.

Tsy misy intsony ny fanomezana Hasina ny aina 28 nafoy maty noho ny fanolorantena hanavotra ny Firenena hivoaka hiala teo ambany ziogan’ny jiolahy sy mpambotry Firenena.

Hotsarovan’ny vahoaka tsy ho ela izany fihetsika mitory fandatsana sy fanamaivanana izany.

Eto isika samy hahita. Krizy ara-piarahamonina sy krizy politika vaovao indray ity nosokafan’ny fanovozana ity.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}