Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 27 novembre 2026
Antananarivo | 16h25
 

Répondre à un commentaire

27 novembre à 00:59 | Vohitra (#7654)

Misy hatrany ny kentrina sy donto velona misehatra eo amin’ny tontolo politika ka lasa mandoto ny sehatra tsy miato...

Mba diniho anie e...

Milaza ireo donto sy donendrina fa fahefana voatokana ho an’ny Filohan’ny Repobilika (président de la République élu) irery no hahafahana mandrava ny Antenimierampirenena...

Koa maninona ary ny Filohampirenena (chef d’Etat) TSY voafidy akory no afaka manendry mpikambana eo anivon’ny HCC ?

Koa nahoana no Filohampirenena (chef d’Etat) TSY voafidy akory no avela manendry masoivoho miasa any amin’ny Firenena hafa any ivelany ?

Fa rehefa amin’ny tombontsoa ho an’iza no hajaina tanteraka ny lalampanorenana io ary e ?

Aiza ao amin’ny lalampanorenana Repobilika fahefatra io no misy manondro fa...ny CAPSAT no mahasolo ny rafitra miaramila misy eto amin’ny Firenena ?

Andriamatoa Filohampirenena (chef d’Etat), efa manaiky ny fahefam-pitondrana misy eo aminao noho ny amehana ny vahoaka Malagasy ankehitriny, raiso ny andraikitra tandrify anao. Ravao tanteraka io Antenimierampirenena io. Dia manendry ianao olonkendry sy olombanona ho mpikambana ao amin’ny Antenimiera fanorenana ifotony ny Firenena. Dia asaivo manao fianianana eo anoloan’ny "Fitsarana Tampony" (Cour Suprême) ireo voatendry.

Dia ireo mpikambana vaovao ireo no "Assemblée Constituante" hiaraka misalahy amin’ny fikaonan-doha isan’ambaratonga ho fandrafetana ireo volavola lalampanorenana haroso hisafidianan’ny vahoaka Malagasy.

Ary io Assemblée Constituante io no hanara-maso sy handrindra ankapobeny ny andraikitra nankinina amin’ny FFKM.

ARY MANAOVA IANAO FANAMBARANA TSY FIANDANIANA POLITIKA MANDRITRY NY VANIMPOTOANA TETEZAMITA SISA.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}