Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 6 octobre 2026
Antananarivo | 03h14
 

Répondre à un commentaire

27 septembre à 20:06 | Vohitra (#7654)

Fanontaniana ho fampieritreretana...

1- Efa nisy ve teto Madagasikara fahefam-pitondrana sy mpitondra voaheloka sy nomelohana ara-pitsarana satria TSY nanaja sy TSY nankato ny lalampanorenana ?

2- Resahana matetika eo anivon’ny fiara hoe misy ny "mpamadika ny Tanindrazana" ka manimba ny Firenena. Moa ve voasoratra ao anaty lalampanorenana ny antsoina hoe "famadihana tanindrazana", ary misy andininy ve ao anaty lalampanorenana manambara ny sazy famaizana mendrika zakain’ny mpamadika tanindrazana ?

3- Tsy ny vahoaka sy ny sarambabem-bahoaka tsotra miady amin’ny fahantrana no lasa mpamadika tanindrazana fa TSY MAINTSY ireo tsy maty manota manana fahefana hatrany. Fa nahoana no rafi-pitsarana manokana toy ny HCJ no hitsarana ny tsy maty manota mpamadika tanindrazana fa tsy ny rafi-pitsarana natao ho an’ny vahoaka Malagasy ?

4- Fa maninona no toa afaka maina sy tsy voarohirohy ary tsy mandalo fitsarana akory izay rehetra tomponandraikitra nandatsaka ra Malagasy sy nandringana ny Malagasy tsy mitovy hevitra aminy ?

5- Fa maninona no tsy voasoratra ao anaty lalampanorenana mihintsy ny fanaraha-maso ary ny fanaovana fisafoana ny andraikitra sahanin’ny Banky Foibe an’i Madagasikara ?

Noho ireo antony ireo amiko, dia TSY MAINTSY atao ny fanamboarana lalampanorenana VAOVAO manome valiny mahafapo ireo fanontaniana ireo, ary maneho mazava ny andraikitra sy ny rafitra hisahana ny fanatanterahana ny valin’ireo fanontaniana ireo.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}