Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 décembre 2025
Antananarivo | 13h51
 

Malagasy

Sakaraha : Halatra omby

Novain’ireo dahalo ny volon’omby

mercredi 5 mars 2008 | Hery A. |  707 visites 

Novain’ireo dahalo ny volon’omby, saingy tsy nahatakona ny maha omby halatra azy izany. Saron’ny zandary tao Ankazoabo, anatin’ny distrikan’ny Sakaraha ireo dahalo enin-dahy nitondra omby halatra. Nampiahiahy ny fokonolona ireto omby nandalo tao an-toerana ireto, ka niantsoana zandary. Rehefa natao ny fisavàna dia nanana taratasy mazava ireo omby noroahina. nisy nahatsikaritra anefa ny fanovàna ny lokon’ny volon’omby ka nitatra ny fanadihadiana. Teo no sarona fa sandoka ihany koa ireo taratasy nampiasaina. Voalaza anefa fa taratasy mitovy amin’ny ara-dalàna mihitsy izy ireo. Notanan’ny zandary ireo omby halatra ary natolotra ny fitsarana kosa izy enin-dahy. Tsy nisy ny fifanjevoana teto fa nanaiky nosavaina ireo dahalo nandroaka ny omby.

Annonces

Filazana manjo

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}