Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 décembre 2025
Antananarivo | 11h47
 

Malagasy

Politika sy vaky fonja

Manamaloka ny risim-pon’ny vahoaka

samedi 17 janvier 2009 | Naivo kely |  797 visites 

Rehefa tsy naha-taitra ny maro ny fanehoan-kevitra politika hatramin’izay, dia ny gadra indray no nanao ny nataony. Teo no naha-rarakivy ny ambanilanitra, satria ireo nahavanon-doza teo amin’ny mpiara-belona no tafavoaka ny fonja nitazomana azy.

Samy mailo ny ankamaroan’ny mponina amin’ny asa andavan’andro izay ataony. Ity fikasan’ny hafa hamerina ny lasa amin’ny alàlan’ny fihetseham-bahoaka ity, dia efa zava-doza ho an’ireo mitady harapaka isan’andro. Asa inona tokoa no ho vita ao anatin’ny korontana lava reny toy ny nitranga tamin’ny 2002 ireny. Mitaona ny olona hidina andàlam-be ny ben’ny tanàna sy ny mpanohitra. Kivy ny rehetra, ary vao maika manampy trotraka io ny fandrenesana ny fonja vaky saika isan-kerinandro ity. Manamaloka ny risim-pon’ny vahoaka hanao ny fihariany isan’andro ny toy izao. “Soa aloha fa mbola vao fitokanana ilay “kianjan’ny demokrasia” ny anio, hoy ity renim-pianakaviana mpivarotra vary mitsangana etsy amin’ny « zay maika ». “Akatonay ny tsena raha manomboka ny fitaomanana vahoaka” , hoy ihany izy, satria iza no andeha hamono antoka amin’izay korontana politika any” ?

Dia miandry ny mety ho avoakan’ny anio sy ny ampitso ny rehetra, ary manantena mba tsy hisy fanelingelenana ny asa ataon’ny hafa ny fitakiana izay hiainga etsy Ambohijatovo.

Annonces

Filazana manjo

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}